AMINAO... (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMINAO…

Adala taminao ny foko ka tsy tana
Mamelana fitia tsy hita ho raràna
Maditra dia maditra tsy azo nofefena
Fa ny azy ianao ihany no tanjona kendrena

Toro taminao ny ombelahim-pitiavako
Ary raha tsy ianao tsy niteny ity vavako
Hamboraka avy hatrany
Ireo karazan-teny mamy

Izay rehetra nofinidiny
Sy izay mety ho tombam-bidiny
Dia aminao tsy nanalana
Hany aho ka dia tamana


Malalason 13/09/06
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1915 4
Mpakafy: Malalason - romie - jogla - looli
Hevitra mandeha
tinah2 ( 16/09/2006 08:46)
Tena adala tokoa tia ry Malalason , nefa moa atao ahoana fa nadia ny tenin' Andriamanitra aza manambara fa fitiavana no nanomezany ny zanany lahitokana hamonjy atsika .
Malalason ( 02/10/2006 08:22)
Eny, NY FITIAVANA no lehibe indrindra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154