Antso an-tariby (allo? ianao?) (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Antso an-tariby (Allo? Ianao?)

Allo! Allo ô !
Ah! manao ahoana ialahy!
Salama tsara ?
Tsy misy mampanahy ?

Ie! Fa somary sahirana kely
Hay! mazotoa akia malala!
Dia izao an !
Aza hadinoina akia
Ilay fotoanan-tsika a!
Eo amin’ny tetezan’ny
Behoririka ihany .
Dia izay akia fa mazotoa ialahy a!
Misaotra akia, ialahy konkoh
Tongava alohaloha
Izay fa mandrampihaona
Ptsoohh ……..

Allo, Allo ô?
Mbola ao ve ialahy?

Tena Tapaka tanteraka!

R.JO (03/09/04)
Ankadifotsy
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1180 3
Mpakafy: Malalason - jogla - bitaka
Hevitra mandeha
NyKanto ( 03/09/2004 13:32)
Hafa kely!!!
Ny Kanto.
bichette ( 03/09/2004 15:33)
avereno antsoina indray e ! hi hi hi
nyeja ( 04/09/2004 05:28)
hiihi ianao kosa manapaka e satria ve efa nanao hoe psouuh ? hihihi
tsara e
yonikafopl ( 05/09/2004 21:21)
hihihihihihihi
nikopol ( 06/09/2004 09:38)
RJO
Milay be letsy a! karazana tononkalo vaovao! raha manome isa za de 5/5.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153