AOKA FA TS'ILAIKO (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AOKA FA TS’ILAIKO

Tiako raha ianao no ravaky ny akaniko
K’hilomanosanao ‘lay hasambarana nomaniko
Ekeko tsotr’izao ary tena laniko
Raha toa ka ianao, n’higoka izany mamiko

Tiako raha ianao, ‘lay olo-nandrandraiko
Hanoro sy hanavao, ireo hira nohiraiko
Hila hankalao , ny foko sy ny saiko
Raha sanatria tsy ianao, dia aoka fa ts’ilaiko

Malalason 24/08/07
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1208 1
Mpakafy: Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151