ARAHABA RY AMBANILANITRA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Arahaba ry ambanilanitra
Ny Tompo anie homba antsika
Ho samy tratry ny asaramanitra
Ny fiainana anie hibaliaka

Arahaba ombam-pirariana
Ho samy salama avokoa
Hatramin’ny fianakaviana
Irariana indrindra ho soa

Arahaba no azo atolotra
Arahina fo falifaly
Aoka hitsiky ny molotra
Hadinoy avokoa ‘reo jaly

Arahaba ry iray tanindrazana
Ny adiady am’izay ajanony
Sao efa lasako razana
Vao samy alahelo ao am-pony

Ry zoky sy zandry arahaba
Fa tratry ny asaramanitra
Isika anie ho afak’haba
Ho samy tahian’Andriamanitra


Malalason 16/12/06
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1605 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1971