DISO FANANTENANA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DISO FANANTENANA

Matsiro angamba ireny
Hoy aho an’eritreritra
Vahotra tsy nahateny
Raha nahita anao niherika
……..

Nitsiky kely ianao
Ka taitra ny fanahiko
Ho ahy ve izany sa….
Ho an’ny rafilahiko?

Somary, nijanona ianao
Toa hoe : “miandry ahy”
Hay tao aorinako tao
No tamy ilay zalahy

Nandray ny tananao
Avy eo indray nanoroka
Ka saiky torana aho
Toa voan’ny be mangovitra

Diso fanantenana…

Malalason 28/08/08
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
4092 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152