Embona anao (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EMBONA ANAO

Do dia F

Izaho anie, manembonembon-dava
Ilay endrikao tsy maty ao an-tsaiko ao
Ianao

Réf :

Veloma ianao, aza manadino
Oh! Oh! Oh ! Aza manadino
Aza malahelo, fa ny sariko banjino
(Ny sariko) banjino

Ho anao ihany anie ry tiana !
Ho anao ilay efa nofidina !

Ilay endrikao, toa miramiran-tava
Mibanjina ahy an’eritreritro ao
Oh! Oh! Oh! Ianao

+ Réf :

Na lavitr’aza, ny elanelan-tsika
Ny fitiavako anao tsy mba hangatsiaka
(Ny fitiavako) tsy hangatsika

Ho anao ihany anie ry tiana
Ho anao ilay notiaviko mangina

+ Réf :

Fa ho anao irery anie ry tiana
Ho anao irery aho mandrakizay

R.JO 2004
TARIKA R.JO 2004
Tél : 033 14 607 25
(Sombin-tonon-kira ho antsika namana tsy ankanavaka)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1270 4
Hevitra mandeha
bichette ( 17/09/2004 10:28)
Fa lasa aiza izy e ?
est ( 24/09/2004 16:43)
Marina tsy azo kianina ny vetsovetsonao dia maromaroa ny tahaka anao e
Malalason ( 04/10/2004 11:51)
misaotra an'i est na esther ary ho ezahako tratrarina ny tanjona kendreko dia haneho ny tena kanto malagasy ho reharehan'ny mpiray tanindrazana amiko, fiainana tsotra nefa tsara no zavatra katsahiko.
R. JO
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157