You are here: home > Vetso

Faniriko akia malala - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Azo vakiana?

FANIRIKO AKIA MALALA

Faniriako akia malala
Ny hitoetra anilanao
Saingy ny asa aman-draharaha
No mahatonga ahy handao

Ka ny ora izay nandalo
No hanoratako ho anao
Amboaran-tonokalo
Ventson'ainga vaovao

Efa ela anie ry tiako
No nivavahako ho anao
Ka ny androm-pifaliako
No tiako hiravoanao

Ka ny ho avin-tsikaroa
Fenoiko felam-bonin-draozy
Ny fitiavana ihany koa
Ampiako raha tsy ampy daozy

Kilongakely maromaro
Anivon-dRay sy Reny tiany
Lahy sy vavy mifangaro
Raha izay no hafaliany

Malalason 12/07/05

Sokajy : FITIAVANA

Hevitra mandeha

fafa (15/07/2005 08:20:06)

Zany ve ry Malalason? mahafinaritra e!

tia2005 (04/08/2005 12:18:02)

tsy lany amamiana ny resaka fitiavana ê!