FITIA TOA SARO-KENATRA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA TOA SARO-KENATRA

Rehefa nodinihiko
Dia nifankatia isika
Saingy, tsy nisy sahy namboraka
Fa natahotra fandavana

Dia minia manafina
Ilay fitia izay tsy azo afenina
Fitia toa saro-kenatra
Ny ahy sy anao

Rehefa injay tokoa
Hifamontoana isika
Dia mamerimberina,
Ireo resaka ho atao

Dia minia manafina
Ilay fitia tsy azo afenina
Fitia toa saro-kenatra
Ny ahy sy anao

Raha mba ianao mantsy …


Malalason 28/06/06
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1235 1
Mpakafy: Malalason
Hevitra mandeha
ounjasou ( 29/06/2006 06:56)
Tsy manin mangina
Tsy hamboraka fitia
Fa ampy ahy ny mahita, ilay halatra fijery, fo roa mifankatia.
mbitaniavo ( 23/08/2006 13:34)
ounjasou an! raha ny fijery aloha tsy mahavita n'inon'inona e! tsy hainao nga le hoe: maso mijery tsy mitondra mody.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151