You are here: home > Vetso

Fitiavana mpamitaka - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

FITIAVANA MPAMITAKA

Tontolo maitso mavana no manodidina ahy
Ka nitondra ny eritreritro hiantefa taminao
Nandeha mangina ny vinanim-bentsoventso
Hisaina indray ny ampitso sy izay ho solonao

Hampikombona ny ratrako !

Manontany tena aho hoe : nahoana re no nisy ianao ?
Ka nifanindran-dalana tamiko teny andalan’ny fitia e!
Raha nampoiziko nialoha fa nandalo teo ianao
Ka tsy natao ho ahy irery dia nivily lalana aho

Sy nampitony fikasana !

Nanakipy maso koa mba tsy ahita ny endrikao
Mivolon’hodi-janak’ondry nefa fositra mpanimba
Ny ati-fon’izay nitia sy latsa-paka taminao
Saingy indrisy tara loatra fa voafandrikao ny foko

Satria babonao tanteraka !

Ny hiantso tody sanatria na hamaly faty anao
Fa hiezaka aho hanarina ny foko efa rava
Hampitsiry indray fitiavana vaovao
Hamelana ahafinaritra ho ravaky ny fiainana

Hanoy ny “dia” tsy ho ketraka !

“Ireo hazo nialofana no vavolombelona
Hitahiry ny tsiambarantelontsika”

R.JO (04/07/04)

Sokajy : FITIAVANA, Fitiavana

Hevitra mandeha

NyKanto (19/07/2004 12:19:30)

Soa fa nisy ny fanantenana!

bichette (20/07/2004 16:24:54)

mbola ho avy ilay maraina

Hametraka hevitra

Midira aloha