Hafa ihany ianao (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFA IHANY IANAO

Voatanisa jiaby izao rehetra izao
Rehefa injay tsy eto fa lavitra ahy ianao

Ry hany nofidiako sy hany fahasambarako!

Ny jiron'ny fanalako toa mitsilopilopy
Hila tsy ahatafita ny alin'ny ririniko

Ka ny sentom-po no hany mba fihiniko!

Ny momba anao ry tiako, haiko tsianjery
Ao anatiko ao ilay endrikao mitsiky

No ataoko tsara fihina ary tsara jery!

Hanjoy anao rahavako, fa "ilay fitiavako"
Efa lasanao, voarombakao tanteraka

Ry voron-tsaradia sy voromailalako!

Malalason 13/07/05
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1407 5
Hevitra mandeha
vetsoko ( 17/10/2005 14:42)
hafa ihany tokoa
ilay tena sitraky ny fo.
tsy hadino n'aizan'aiza
fa fahatsiarovana voataiza.
tsiahy mampijaly
fisaraha-mampifaly.
...tsoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147