HAFATRO HO ANAO - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Azo vakiana?
Hafatro ho anao…….
Raha miloloha lanitra lena,
Mandia tany tafitohana
Ny lasa no hany jerena
Ny anio koa hijoroana.
Ka tandremo ny mamohifoa
Amin’izao fiainana izao
Mitrakà, atanjao ny loha
Fa ho avy ilay fiainam-baovao.
Tandremo ny fiainana lesy;
Bedao aza isalasalana
Fa sao tratry ny evi-petsy
Tsy misy zay hany hiafarana.
Mananà fanampahan-kevitra
Amin’izay tokony hatao,
Fa sao dia firingamihevitra
Ka vita vao hanenina ianao.
Marina fa ilaina ny namana
Raha misy ny olana saro-bahana
Misy ny azo ifaharana
Fa ny anao aza isalasalana.
Ny anio anie ho tafita e!
Fa ahoana ny rahatrizay?
Ianao dia tokony ahita
Ny toetran’ny olona iray.
Ny hendry no azo anarina
Fa tsy ny olona adala
Aremo izy aloha ho tafarina
Dia aleo mba hitohy ny tantara..
Sa tsy izany rey olona?
Nest : 30/05/07
Atolotra ho an’I R.Jo
Misaotra ihany letsy tompoko, fa aoka aloha izahay samy hisaina
Hevitra mandeha
Malalason (01/06/2007 07:23:40)
Mombamomba
Mpanoratra : Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Nampiditra : mbitaniavoDaty : 30/05/2007
Mpamangy : 1317
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ENY AN-TSANDRIN’OLON-KAFA NO NAHASAMBATRA ILAY TIAKONY OLO-TIA ADALA
NITOHY...
NEKENA FA NOLAVINA
JODASY MPAMADIKA
TSY HIANDRY ANDRY INTSONY RY MALALA
HAMOY FO MANGINA
NITETIKA NY HO KALA BE
MIHELINA TOKOA (Val Ton Ny Kanto MIHELINA)
SANATRIA, TSY FANAKIANANA