HANY SISA IFANAOVANA - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Azo vakiana?
HANY SISA IFANAOVANA
Andeha izao ny tenanay
Ka hametraka veloma
Tsy ho doria mandrakizay
Fa veloma mandram-pihaona
Hanainga izao ny fiaran-dalana
Ka indro kofakofan-tanana
No hany sisa ifanaovana
Amin’namana nilaozana
Ranomaso no tsy latsaka
Fa ny tena fotsy hatsatra
No ahafantarana fa mafy
Ilay fiainana mpigafy
Tsofy rano ho tonga soa
Sy hatratrasoa ihany koa
Rehefa miverina tsy adinoko
Ny voan-dalana vimbiniko
Ho anareo rehetra rehetra
N’iza n’iza tsy voafetra
Malalason 28/04/07
Sokajy :
Aingam-panahy
Mombamomba
Mpanoratra : Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Nampiditra : MalalasonDaty : 28/04/2007
Mpamangy : 914
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ENY AN-TSANDRIN’OLON-KAFA NO NAHASAMBATRA ILAY TIAKONY OLO-TIA ADALA
NITOHY...
NEKENA FA NOLAVINA
JODASY MPAMADIKA
TSY HIANDRY ANDRY INTSONY RY MALALA
HAMOY FO MANGINA
NITETIKA NY HO KALA BE
MIHELINA TOKOA (Val Ton Ny Kanto MIHELINA)
SANATRIA, TSY FANAKIANANA