HEVERO HO TSY MISY - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Azo vakiana?
HEVERO HO TSY MITENY
Hoany indray aho
Tsy hoe hamangy anao
Fa hitondra hirahira
Kalokalon-tsovenira
Ho an’ny tapaka sy namana
Indrindra fa RAMBOLAMANANA
Fety be zany andro zany
Tsy roa fa tokana aman-tany
Toy “ilay ianao” zay teo aminy
‘Lay hany ravaky ny akaniny
Dia hoany indray aho
Fa tsy hanantena ahita anao.
Raha vao tazanao ny sariko
S’ireo maso baribariko
Mipetaka eny rehetra eny
Dia hevero ho tsy miteny
Fa toy ireny ihany aho
Fony vao nahita anao
Rehefa tsapanao maratra
Ilay fo kely ao an-tratra
Dia hadinoy tanteraka aho
Fa tsy voatokana ho anao
Ka aza saininao akory
Sao ianao ho sorisory
Tsy ahazo aina noho izaho
Raha ny amiko? Avelao.
Malalason 03/07/08
Mombamomba
Mpanoratra : Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Nampiditra : MalalasonDaty : 04/07/2008
Mpamangy : 1789
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ENY AN-TSANDRIN’OLON-KAFA NO NAHASAMBATRA ILAY TIAKONY OLO-TIA ADALA
NITOHY...
NEKENA FA NOLAVINA
JODASY MPAMADIKA
TSY HIANDRY ANDRY INTSONY RY MALALA
HAMOY FO MANGINA
NITETIKA NY HO KALA BE
MIHELINA TOKOA (Val Ton Ny Kanto MIHELINA)
SANATRIA, TSY FANAKIANANA