Ho an'i neny (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AN'I NENY

Ry Neny !

Amin'izao fety izao
Dia tsy mba manana aho
Vatosoa na volamena
Na sakafom-pitoloha
Ho fanomezana ho anao

Fa indro misy akanjo kely
Novidiako teny an-tsena
Ho porofo hanambara
Fa tsy adinoko i Neny

Nikely aina ihany aho
Mba hividy tsaratsara
Ho tinafinao mianjaika
Nefa indrisy ho aho ry Neny
Ny fahafahana tsy misy

Ny fanomezana no bitika
Fa ny hafaliako anie ry Neny
Dia ny hitovizanao
Amin'ny Reny rehetra rehetra
Dia ny tsiaro tsy ho faty
Hoe mbola misy dimbinao
Tsy manadino ilay malalany
I Neny tia hatramin'izay
Niari-pery hatramin'ny farany

Malalason 27/05/05
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
2650 1
Mpakafy: Malalason
Hevitra mandeha
andriary ( 27/05/2005 12:57)
drrrry r'itony eeee!
misaotra anaka!hoy neny fa maromaroa ny toy izao!
mba maka vady amin'izay moa anaka fa aza lany andro mametsovetso e!ento aty an-trano izany vinantokeliko izany ho jereko azy fa efa te-hitaiza vinantokely!raha mbola tsy mahita dia ao amin'izany namana.serasera izany hono misy safidianana!ntsoooo!
bichette ( 27/05/2005 14:31)
mahafinaritra malalason a ! misaotra anao
nyeja ( 29/05/2005 07:12)
misaotra anao anaka nividy akanjo fa faly tokoa i neninao fa mitovy amin'ny reny rehetra dia ilay vinantokely aza atao tara loatra fa io fanomezana lehibe ho ahy an hihihi
ny eja namanao :)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119