You are here: home > Vetso

HO AN'I NENY MALALA TSY FOIKO - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Azo vakiana?

HO AN’I NENY MALALA TSY FOIKO.

Ho an’i Neny malala tsy foiko
Ity tolotra avy amin’ny foko
Tonombavaka no omeko anao
Ho solom-boninkazo fanao
Ny Tompo ry Neny malala
No hitantana tsy hisalasala  
Hanome ny tsara indrindra ho anao
Mihoatra izao fanomezako izao

Fitiavana sy fahendrena
Ireny no azoko omena
Ho valim-babena tsy lany
Ho anao ‘lay tokana an-tany
Ity fanomezako kely
Toa vitsika momba tantely
No indro hatolotro anao
Neny ô! Tena tiako be ianao.

Malalason 25 mai 2008

Sokajy : Fety