Ho an'i voalohambokatra (avy @ i dada) - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Azo vakiana?
Efa firy taona izay
Niandrasako ny sombinaiko
Neny firy nokasaiko
Hifantenana iray
Mba hatao ho Mamanao
Nefa ireny dia nandalo
Nisari-monina daholo
I Dada ve no ratsy vintana
Sa ny lahatra no sompatra
“Ny anjara anefa tsy midify”
Hoy ny tenin’olon-kendry
Vinavina mantsy izao
Ny hoe : raha vao vitanay sy Neny
Ny mombamomba anao rehetra
Dia efa hatrany am-piandohana
Fa ianao no “VOALOHAMBOKATRA”
Ary hijanona ho izay
Ny anarana fiantso anao
Toa miramirana daholo
Ny voaharim-piainan-tsika
Rehefa tonga ilay fotoana
Hanatrehanay anao
Mety hihomehy ny manodidina
Fa anarana hafahafa
No nasalotra anao
Aza atao mahakivy anefa
F’izay no tian’I Dadanao
Hevero ange ny hafaliany e !
Raha misy feo-mamangy
« Nomen’Andriamanitra ny fara e !
Ary iza no anarany ?“
“VOALOHAMBOKATRA NY AINA”
“Ilay nandrasana efa ela…”
Izay sy izay ny momba anao
Ry sombinaiko mbola ho avy
“Taratasin’I Dadan’I VOALOHAMBOKATRA”
R.JO (17/06/04)
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Nampiditra : MalalasonDaty : 18/06/2004
Mpamangy : 1660
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
NY OLO-TIA ADALANITOHY...
NEKENA FA NOLAVINA
JODASY MPAMADIKA
TSY HIANDRY ANDRY INTSONY RY MALALA
HAMOY FO MANGINA
NITETIKA NY HO KALA BE
MIHELINA TOKOA (Val Ton Ny Kanto MIHELINA)
SANATRIA, TSY FANAKIANANA
DISO FANANTENANA