Ho fitaratra (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO FITARATRA

Masoaandro mibaliaka no hitaratra
Ilay fitiavantsika ho fitaratra
Ka ny lanitra no fetra sy hamarana
Fa lamban’akoho ka faty no hisarahana

Na ho levona aza izao rehetra izao
Ny fitiavako, tsy hiala aminao
Fa ho anao irery ihany n’aiza misy ahy
Izay no tanjoko k’aza manana ahiahy

Teny mamy sady soa no atolotro
Tena izy avy ao am-po fa tsy imolotro
Indro averiko eto indray fa tena tiako ianao
Na ho mafy na mangidy izaho dia tsy handao

R. JO 20/01/05
--------
Rohy:
1062 2
Mpakafy: Malalason - bitaka
Hevitra mandeha
andriary ( 26/01/2005 16:38)
Ento izy ilazao zay teny izay
eo ambony alitara!
Fohazy anaty lalina lay fitiavana matory,
soraty ho tantara!
Dia hisy feo tsy fantatra
tsy mbola re hatrizay
Dia hisy angolam-peo
tsy niraina hatrizay
Dia hisy hafaliana
tsy nisy nanana fahiny
dia hisy hasambarana
tsy amam-pondro tsy aman-tsiny...
mankalaza!!!

amin'ny fevrier lay izy eee!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162