ILAY FAHAROA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY FAHAROA

Izy no namafa
Ny andro rehetra lasan’
Ny fiainanao

Nokosehina avokoa
Ireo rehetra teo aloha
Nosoloiny vaovao

Tantara vao natomboka
Faka tsy hiongotra
Eo an-tanim-piainanao

Ny oroka sy tambitamby
Ny angola sy ny sangay
Samy hanan’amby
Omeny ilomanosanao

Raha mitamberina ny tsiaro
Dia aza avela hifangaro
Ilay « taloha » s’ilay « vaovao »
Fa mahatonga ady
Sy fahasarotam-piaro

Malalason
Mars 2006
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1360 5
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 22/04/2006 21:03)
tsara be ny tononkalonao! tena ankafiziko, fa izao e:lé voalohany tsara foana e!na mangidy aza indraindray!!
sarobidy ( 24/04/2006 10:32)
raha izaho alou d tsy haisy ady hevitra firy fa kanto lôtra le tononkalo ko
Mysento ( 19/08/2009 13:55)
Ny taloha, hono, tsaroana foana.nefa kosa raha nandratra,hadinoy.
rhina ( 07/09/2009 05:58)
mankasitra e!!
fa za lo ts mba hiteny mints oe hafa iany zany le voalohany e!!!!
tena marina io voalaza eo io
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161