Ilay sarobidiko (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY SAROBIDIKO
Any ianao izay ry aiko
F’izaho aty mararirary
Miezaka, mandamina ny saiko
Izay mialin’adin-tsaina
Misaina ireto zana-tsika
Hendrikely sy sariaka
Nanahaka ny toetranao

Tso-piaina lalandava
Tsy mba nahitako soritra
Na hakiviana kely akory
Teo an-tendron-tavanao
Fa Angoty feno hanta no
Niatrehanao ny adim-piainana
Ka nandaozanao tsy fidiny
An’izy telo mianadahy
Ho kamboty mbola kely
Nanaiky toa tsy rariny
Hamela anao andeha
Ho any ambany rangolahy

Ny hasarobidin’ny fitiavana
No andry tena nijoroanao
Ny ranom-bary andohalika
Tsy nampiraika anao akory
Ka nahafoizanao ny aina
Dia ny aina izay iray
Nefa nafoinao ho anay

Ny Tompo no hamaly
Ny zava-bitanao rehetra
Ary hampitoetra anao
Any an-tany Paradisa
Mba jereo ihany koa
Izaho sy ny zana-tsika
F’aza avela hiady irery
Ry malalako any an-koatra
Fa diso tafahoatra loatra
Ny fahoriana izay lanjaiko
Ka mahaketraka ahy
Ary mety ahatapitra ny aiko

Dia ho aiza ireto
Solofo dimbin-tsika
Ho eny amoron-dalana?
Ka hamoy fo tanteraka
Tsia ! raha mbola velona aho
Dia hasandratro izy
Tsy avelako hizaka
Ny fahoriana efa nentiko
Na madiva hilentika aza
Ny masoandrom-piainako
Fa sarobidy amiko
Ny ho avin’ny taranako

R. JO 22/11/04
--------
Rohy:
Sokajy : fitiavana
1247 4
Hevitra mandeha
sarobidy ( 24/04/2006 11:00)
Taitra keli a nahita an'le we Ilay Sarobidiko .Tsy ratsy kosa le izy fa tena tsara ko
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111