Ilay tiako izay (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tovovavy iray mahafinaritra tokoa
Ilay tiako izay ka babony ny foko
Tsy ny foko ihany fa ny fanahiko koa
Dia babony daholo lasany avokoa
Mahafatifaty ary koa sariaka
Tsara fanahy no sady tsara bika

Kanto maha-te-ho-tia
Meva tokoa izato ianao

Kisendrasendra angamba no nifankahitana
Kanefa tamin'iny tsaroako toa nafana
Ny tafa nifamaliana teo anilanao ry tiana
Ka vetivety foana dia tonga ny fotoana
Nifanaovana veloma, veloma mandrampihaona
Aza malahelo rahampitso mbola hihaona

Toa nanonofy aho raha nilaozano
Tsy andriko ny ampitso hihaonan-tsika indray

Tovovavy iray mahafianaritra
Ilay tiako izay ka babony ny foko
Tsy ny foko ihany fa ny fanahiko koa
Dia babony daholo lasany avokoa
Ny amiko rehetra hatramin'ilay fitia
Nomeko tsisy fetra ho anao doria

Ho anao, homeko anao
Ho anao, ho doria
R.JO
--------
Rohy:
1486 4
Hevitra mandeha
sarondrahona ( 05/06/2004 09:57)
kay leity e ! ahatsiarovako olona iray io
tohizo fa tsara r'ise a !
fa hoatra an'iza loatra izy izany
yonikafopl ( 19/08/2004 14:14)
mahafinaritra izany fa tohiso R.JO an!!!
aladin ( 10/10/2004 15:27)
ok! R. JO
sonwin ( 05/12/2004 17:06)
Mampahatsiaro ny fahiny ny soratananao zany R.Jo
lion ( 06/12/2004 09:39)
Hitako fa nanao ezaka be ilay mpanoratra teo ampanoratana iny Tononkalo iny ary mamporisika azy hanao tsara kokoa noho iny, na dia be ary ny milaza fa be vinany ny Poeta.
detectivepv ( 07/12/2004 15:19)
mahafinaritra R. JO a! ary mendrika ho an'i olon-tiana tokoa , ny famborahanao ny ao am-po amin'ny olon-tianao toy izao dia zava-dehibe izay
Dpv
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015