ILAY TSY ANJARA NOTIAVINA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY TSY ANJARA,... NOTIAVINA

Efa eny an-tanan’olona
Ilay akamanao taloha
Efa vony mamololona
No trotroiny eo aloha

Efa dila tsy tsaroany
Ireo tantara nahafinaritra
Ilay naharendrika ny fony
Saha-Edena tsy naharitra

Eny,
Efa fiainan’olon-kafa
Indro, no efa karakarainy
Satria adino fa tsy voafafa
Ianao ilay nolalainy


Tsy voafafa akory ianao
Fa adinony fotsiny ihany
Ka rehefa injay tsaroany
Ny masony?
Manganohano mitomany

Dia indro tazako ao
Fa mbola tia anao ny fony
Saingy indrisy hoy aho
Efa tsisy fika intsony

Raha tsy hoe angaha
Minia mangala-dia
Nefa saino aloha raha sahy
Hamahan-dalitra ilay “tia”

Malalason
25/03/06
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1953 2
Mpakafy: Malalason - pseudofanja
Hevitra mandeha
vetsoko ( 29/06/2006 12:19)
mmmmh!no comment
romie ( 14/09/2006 13:01)
tena tsara re lé tononkalonao ry Malalason a!!!Ataovy be dia be mihintsy!!!
no comment araka ny tenenin'i vetsoko
Mankasitraka
Malalason ( 15/09/2006 10:39)
misaotra @ le voninkazo e!
mankasitraka
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155