INONA NO NISY RAHA TSY NITIA ANAO AHO (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INONA NO NISY RAHA TSY NITIA ANAO AHO

Misasak’alina aho mbola tsy nopizin-tory
Fa nipitrapitra irery nisaina anao mangina
Mieritreritra ny ho avy sy izay mety anjarantsika
Na lohataona mahamay na ririni(na)-mangatsika

Raha ny sitrako angamba izao dia izao dia ho any
Fa raha izay halaviran-tany tsy ahasakana ahy mihitsy
Fa ho reseko avokoa na oram-baratra sy havandra aza
Raha izay no hany fomba ahitako anao ry malala.



Nahoana kay isika raha tsy nifankahita
Inona no nisy raha tsy nitia anao aho
Moa ve azo averina ireny rehetra ireny
Ka ninia nandalo aho ninia tsy niteny

Ankehitriny tsy haiko fa
Mahatsiaro anao lay foko kely feno fitia.


Malalason 05/02/08
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1366 1
Mpakafy: Malalason
Hevitra mandeha
katiaa ( 02/12/2008 15:49)
kayy otran n tiko b ty zany
:-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144