Isaorako ise ry zandry malala! ho an'i sr na feno (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ISAORAKO ISE RY ZANDRY MALALA

“Ho an’i SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA na i FENO”

Isaorako ise hisaorako ihany
Na dia nahavita an’ireo teny ireo
Fa any andro any volana ho tsapan’ise
Izao teniko izao :

Fantatro loatra fa na taiza na taiza no nisy ahy
Dia ny anaran’ise no nisoratra teny nameno ny tsy ampy
Nanintsy ny biloka, nanaitaitra ny fieritreretako
Eny tao ny ady mafy izay efa niaretako noho ny fihavanana
Dia tsy iza f’ianao, Ianao RAMBOLAMANANA
No nisalahy nanoro ahy ny tokony ataoko na dia zandriko aza
Dia nekeko tokoa na dia hoe sain-jaza, mbola bakora sy mareforefo;

Koa ankehitriny ve vao ny ampahan-telon-drano no nitengenan-dakana
Dia kivy ity Kapiteny ka hiverin-dalana, hanao dia mianotra?
Tsy inona akory fa ny fo tafahoatra no mahatonga izany !
Tsy ho lava ny ventsoko fa hofaranako an-teny foy

Raha azo leferina re ny hambom-po dia ifonako marina
F’izaho santria ny hiady am’se fa zandriko tiako
Raha nisy fietsiko tsy zakan’ise dia izy ariana
Fa aza ny tenako no halavirina sy hanaovan-kafara

Raha sitrak’ise dia sambo-pisitrika alefa mialoha
Dia dinidiniho ny lasa efa vita tairo hifoha
Ny tao BERONONO sy ANJANAHARY
Fa samy nahitàna fangirifiriana, izay tena marary

Tsy mino aho hoe ho vitan’ise, ny handrava fihavanana
Ka tandremo sao tanterahin’ise, lay teniko hoe :
“Ise natao hazo manga iankinana indray ity no lasa bararata nandroahan-kisoa”
Fa zovy moa no tsy ho solafaka raha nandia tany?

‘Zaho tsy manangantotohondry am’se
Na namboly ady, na nandrava fihavanana
Fa niaina tanaty fiainana tsotra efa fantatr’ise
Anio anefa averiko indray izao teniko izao hoe :

“Na inona zava-hiseho na ahoana fiankason’ny tany
Ny fantatro zandriko ise dia hijanona ho zandriko hatrany !”

R.JO 13/08/04
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
1790 3
Hevitra mandeha
rafilozofy ( 07/09/2004 17:12)
Ho an'i R Jo: Mahereza fa fiainana tsy ilaozan'izay ankaso. Ny lasa aoka homban'ny lasa fa ny toetra samy manana, ary izao no tadidio: aza ratsy alohan'ny sasany fa misy tohiny io fa tsy androany ihany akory no andro. Mahereza ary veloma any amin'i sr raha hitanao izy e. I vive_love koa hono hoe mbola any hoe sy salama tsara sady bolangina tsara.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119