You are here: home > Vetso

IZAY SISA - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Azo vakiana?

Ny gidragidran’ny fiainana
Isan’andro tsy mitsahatra
Ny tontolo izay honenana
Rakotr’aizin’oram-baratra

Toloko mitaraina
Aina miha-kely
Izany no zakaina
Hanohanana mamely

Ny tena kely sandry
Tsy manam-pahalalana
Hila ho kivy ny miandry
An’ilay fanantenana

Ny hany hery sisa
Mamalifaly tena
Misotra sy miloka
Mangataka eny an-tsena


Malalason 27/10/2006

Sokajy : Fiainana