Lanja! (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lanja !
Tsaroako manan-danja
Sy tsy manaiky ho banga
Ato anatiko ato ny fisianao

Manindrona fiantefa
Ka tsy haiko ny hilefa
Sy hanadino anao

Mandreraka fanahy !

Lanja !
Misarisarim-badiko
Namatotra ny tadiko
Ho tena mafy tsara

Hijoro ho lehilahy
Tsy hanana ahiahy
Rehefa any am-para

Hiatrika ny fiainana !

Lanja !
Tsy hivoady aho
Fa tena tia anao
Fa toky ihany ireny

Entina hampandriana
Ny adrisam-pifaliana
Ny hamamian-teny

Fa ny atao no hita !

Lanja !
Ahoana no hiafarako
Sy ny mety ho adalako
Raha tsy eo anilanao

Aleoko mody mandry
Ataovy mampamangy
Malalason malalanao

Mitia tsy mety vita !
R. JO 21/12/04 Ankadifotsy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1136 3
Mpakafy: Malalason - bitaka - jogla
Hevitra mandeha
yonikafopl ( 22/12/2004 13:41)
Malalasona humm fa dia inona loatra???
andriary ( 23/12/2004 10:23)
misy lanja anankiroafantatro!ny iray iomankarary an'iseio!ny faharoambolatsy hitan'isekanefa tsy misy valaka @ io lanja mankarary an'ise io ....tadiavo izy dia ho hita...
vetsoko ( 24/12/2004 12:26)
tena hita mihintsy hoe misy "lanjany" aminao le ...lanja,sa ty izany
Malalason ( 02/03/2005 08:26)
Tena tiako be sy manan-danja amiko mihitsy izy io
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143