You are here: home > Vetso

MAFAITRA NOHO NY POIZINA - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Mafaitra noho ny Poizina


Manara dia manara
Ny alin’ny ririnina
Ny setroka sigara
Tsy hita ho fihinina

Fa ngoly ny fanahy
Lomano anaty zavona
Famindran-tanalahy
Ekena tsy azo lavina

Tsirangarangan-tory
No hany notovoizina
Ny sento mpampahory
Mafaitra noho ny poizina

Ainga tsisy farany
Kalo tsy miteny
No hany nosoratany
Ho anao ilay nekeny

Malalason 16/02/06

Sokajy : Malalaka

Hevitra mandeha

endrika01 (10/08/2009 06:00:26)

Mafaitra noho ny pozina manara dia manara ny aliny RIRININA

endrika01 (10/08/2009 06:03:11)

Vanintaona inona ary no mitondra hasambarana?Ny Lohantaona ve,ny Fararano sns...Tsara lay Vetsonao

rhina (07/09/2009 07:42:26)

fa nga reto n y poizina ts tena mahafaty mintsiny fa tsy mafaitra zany fotsiny a
!!!!

tsila (09/03/2010 11:36:18)

Ny poizina aza mety mamelona kou

zakilinina (10/06/2010 19:29:17)

Tsapa fa ao ilay traikefa. Misosa ny famakiana ny tononkalo. Tohizo ny toa izao.

Hametraka hevitra

Midira aloha