Malala sarotra hadinoina (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALALA SAROTRA HADINOINA

Injay fa miainga indray ny alahelo anao
Mamofona tomany voarako-tsento lalina
Fa toa an’iza loatra ianao ry olon’iny
No dia namela tsiaro tsy azoko vonoina !

Na dia ezahako aza ny hanadino anao !

Injay fa mbola reko ilay angolanao
Manonona ny anarako malefaka fanonja
Fa toa ny an’iza loatra izay feo mihanta izay
Fa na alevina aza tsy mety bobongolo!

Na dia ny solony aza voafafa tsotra izao !

Injay fa mbola tsapako, reko lalandava
Manala ny hakiviako tsy te hitia intsony
Fa toa anao izay ilay mba nofidiko
Ka na ny lahatra aza tsy afaka nandidy!

Ka toa an’iza loatra vao ahasolo anao !


Ankadifotsy

R.JO (15/08/04)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
990 2
Mpakafy: bitaka - Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143