Malala sarotra hadinoina (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALALA SAROTRA HADINOINA

Injay fa miainga indray ny alahelo anao
Mamofona tomany voarako-tsento lalina
Fa toa an’iza loatra ianao ry olon’iny
No dia namela tsiaro tsy azoko vonoina !

Na dia ezahako aza ny hanadino anao !

Injay fa mbola reko ilay angolanao
Manonona ny anarako malefaka fanonja
Fa toa ny an’iza loatra izay feo mihanta izay
Fa na alevina aza tsy mety bobongolo!

Na dia ny solony aza voafafa tsotra izao !

Injay fa mbola tsapako, reko lalandava
Manala ny hakiviako tsy te hitia intsony
Fa toa anao izay ilay mba nofidiko
Ka na ny lahatra aza tsy afaka nandidy!

Ka toa an’iza loatra vao ahasolo anao !


Ankadifotsy

R.JO (15/08/04)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1402 4
Mpakafy: Malalason - jogla - bitaka - iharantsoa
Hevitra mandeha
NyKanto ( 19/08/2004 08:02)
Mba tena sarotra lahy ny mahita ilay làlan'ny fanadinoana!!!

Ny Kanto
bitaka ( 19/08/2004 11:55)
Asa mihitsy na dia ahoana loatra fa aretina iraisana io!
yonikafopl ( 19/08/2004 14:01)
rehefa tena tafiditra lalina tena sarotra tokoa ny manadino, na ny solony aza voafafa rehefa tonga izay tsiaro izay.
detekitiva ( 06/09/2004 07:52)
voan'ny aretimpitiavana io olona io ka mila mitady solony haingana fa sao lasa adala eo

detekitiva 19 09 04
Malalason ( 07/09/2004 09:55)
tsy ny Mpanoratra akory no voan'ny aretim-pitiavana fa ny Mpamaky ihany koa misaotra e dia aza manambe ry zareo a

R.JO
detekitiva ( 14/09/2004 13:28)
tsy ianao akory izany kah, fa ilay olona manana an'io toerana io azafady
Tsiperifery ( 17/09/2004 10:11)
Marina tokoa fa tsaroana mandrakariva ny olona nitia sy notiavina na efa nisaraka taona maro aza .
Samy manana ny hanitra naha izy azy avy ary izay no tena maha enjana ny fisarahana.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0329