MALOK'ILA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALOK’ILA

Ho rava ihany angamba ny amintsika roa
Na hita tena sarotra ny hamafa anao am-po
Hahay hanadino ve ny fo mifankatia ?
Hidify fahatsiarovana izay tsy maintsy hanaradia

Mangotraka izay tsy izy ny adin’ny fanahiko
Ny hoe rahoviana ihany ianao no mba ho ahiko
Malok’ila foana ve ny androm-piainantsika
Lay sombin-kafanana toa ho resin’ny hatsiaka.

Kanosa ve ny tenako raha toa ka manaiky
Ny hamela anao, hitoetr’irery, hanjokaiky
Safononoka ny foko, safononok’alahelo
Ka injao fa latsa-tsento, in-droa, in-telo …

Malalason 04/05/07
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1488 1
Mpakafy: Malalason
Hevitra mandeha
vanjanofy ( 11/05/2007 09:53)
Tsy ianao irery akory no miaina toy izany
fa misy fo mitempo maro toy ny anao any ho any
mbola miandry hatrany hatrany ny hiavian’ny ora iray
hiverenan'ny malalany ho an-tànany indray!

Ny aminareo roa ahiana toa ho rava
mety hitohy ihany, hijoro lalandava
ny androm-piainanao malok'ila teo
hisava toy ny zavona, k'hazava indray avy eo!

Tsy hakanosana akory ny fasahianao nilaza
ka namela azy ho irery hanjokaiky toy ny zaza
izay nilaozan'ny sakaiza k'indro milalao irery
very vakana ihangoana ka mahatsiaro toy ny very!
vanjanofy ( 11/05/2007 11:07)
Tsy hanadino akory ny fonao efa tia
ny sainy koa hipody hiverina satria
ianao ‘lay tena tiany no sahy hoe hifandao
tsaroany ny hirifiry raha lavitra azy ianao

Ny fahatsiarovanao hiverina indray
Izy saika handao ho tia mandrakizay!!
bitaka ( 29/05/2007 13:25)
mhmmm
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202