Mariazy (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Raha mba hitanareo re ny malalako dia inona no ho lazainareo aminy? lazao fa mararim-pitia aho" (TonSol 5:8b)

MARIAZY

Fony ianao vao hitako
Dia noresahiko ho sipako
Fa tsy mbola tokatrano!

Asa anefa izay no lahatra
Fa mipariaka tsy mitsahatra
Ilay divolam-pararano!

Felam-bony te ho hanitra
Mihosodoko toy ny lanitra
No tsinjoko ao anatinao!

Dia nafatotro ny tady
Fa ianao alaiko ho vady
Ka hitoetra tsy handao!

Ny voahary manontolo
Hihoby antsikaroa daholo
Hiaraka hanala azy!

Fa tanteraka androany
Ilay andro tena mamy
Andron-tantelin'ny MARIAZY!

Malalason 23/07/2005
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
3272 4
Mpakafy: Malalason - impr - jogla - bitaka
Hevitra mandeha
lindaglacier ( 28/06/2005 07:54)
tongava soa ilay andro malaza e!
nyeja ( 01/07/2005 12:35)
malalason a mba misy tiako soratana ity hoe

Felam-bony te ho hanitra
hosodoko mahafinaritra
tsinjoko ravahanao...
Malalason ( 01/07/2005 16:40)
misaotra akia Ny a!1000x merci
yonikafopl ( 10/07/2005 19:58)
hummmmm, mirary ny soa ho anao hatrany ry Malalason, ar dia mirarty ilay andro malaza ho tonga soa eee, humm za ve mba ho tonga any eeee???
Malalason ( 11/07/2005 07:03)
tongava e! snif, miandry anao ny namana hi hi hi
fiaritiana ( 12/11/2005 21:29)
ao amin ilay ankafiziko azy indrindra! tohizo fa tsara dia mahereza e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152