MATOA 'ZAHAY... (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matoa ‘zahay

Matoa ‘zahay niaraka
Dia noho ianao ihany
Ny orana nipatraka
Namonto izato tany
Dia mbola ianao hatrany
Ny faka nipoirany
Sy varavarana nidirany
Ho ao an-tranom-pahatsiarovana!

Matoa ‘zahay nisaraka
Dia noho ianao ihany
Ny ranomaso raraka
Namonto ny takolany
Dia mbola ianao hatrany
No sento nivoahany
Sy fo voaratraratrany
Hitahiry, ny holatry ny tsiahy!

Matoa ‘zahay no sisa
Singa tafajanona
Hatsiaro, hamisavisa
Ny fiainana nodiavina
Dia mbola ianao hatrany
No holatra mandravaka
Sy tandra vadin-koditra
Mameno ny eritreriny!

Malalason 08/08/06
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1105 2
Mpakafy: Malalason - jogla
Hevitra mandeha
hery ( 31/10/2006 10:24)
Ilay Ianao no tsy fantatro
Malalason ( 03/11/2006 10:33)
ilay "Ianao" dia mira @ ilay voalohany teo @ fiainam-pitiavan'ny zanak'olombelona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152