You are here: home > Vetso

MBA LAZAO... - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Azo vakiana?

MBA LAZAO…

Molotra efa maina ngolin’ny ririnina
Vata-mangatsiaka no sisa nofihinina  
Fanantenana rava, no hany novantanina
Valaka ny saina, nahatsiaro fanina

Dia niondrik’izy, nanaiky koa fa resy
Ireo adin-tsainy, no indreo nifanesy
Nandravaka ny fiainany, nameno ny tontolony
Ny fahakiviana, no solon-tsiky teo imolony.

Hivarilavo ve sa hamono tena?
Inona no ataoko, hoy (izy) nanongo tena.

Dia inona hoy ianao
No mety mba lazao….

               Malalason 17/06/08

Sokajy : fiainana