Miafina (sandrah, laingo, zoely, nambinina) (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIAFINA
(Sandrah, Laingo, Zoely, Nambinina)

Any ambany ravina any
Ao anaty vovon-tany
Misy vatosoa miafina

Any anaty ala any
Eny antsefa-dongon-tany
Misy vonin-kazo miafina


Tsy tazanao raha jerena
Fa hafenin’ny hatsarany
Sy felany mamony

Ka raha fitia vao hambolena
Handravahana ny tany
Dia vonin-kazo toy itony



R.JO (27/09/03)
Beronono
--------
Rohy:
1324 4
Hevitra mandeha
jerico ( 05/10/2004 14:59)
tsy de tena azonay tsara ilay izy,mba afaka mandefa tonokalo hafa ve nareo,hotrany tsy tonokalo ny fandraisako azy
Malalason ( 10/10/2004 14:06)
slt! mazava loatra satria tsy mbola nandalovan'ise ilay sehatra nisy ny toerana nalehako : ny vatosoa sy ny voninkazo resahiko eto dia tovovavy mahafatifaty saingy tsy tazanao eny rehetra eny fa "miafina" any ambanivohitra any ary rehefa tena atao ny fandinihina dia manana hatsarana lavitra noho ny tovovavin'Iarivo sasany izay endrika ivelany fotsiny fa ny toe-tsaina sy toe-panahy tsy misy firy izany no nanomezako soso-kevitra hoe :
Ka raha fitia vao hambolena
Handravahana ny tany
Dia vonin-kazo toy itony

izany akory tsy midika fa ratsy daholo ny tovovavy eto andrenivohitra , ary ity tonon-kalo ity dia nasehoko @ endrika malala fa tsy toy ny mahazatra hoe :

Tiako ianao ry lalaina
Saingy izaho tsy sahy miteny
Efa miady be ny saina
Ka ny foko no manjeny.

R. JO



aladin ( 10/10/2004 14:14)
oooaay 'zany izy ry R.JO laaaaava an! sur aho fa tena ho tian'ilay tovovavy any ambanny ravinahitra mihitsy io an
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104