MIONONA AKIA MALALA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIONONA AKIA MALALA

Mionona akia malala
Fa izay no efa anjara
Eny na ho lasa adala
Ity foko feno ratra


Mionona ho aho ianao
Fa izay no efa lahatra
Atrakao ny loha, ‘tanjaho
Fa ny antsika efa fantatra

Fa handalo dia miserana!


Mionona sombinaiko
Fafao ny ranomasonao
Ary tsapako sy haiko
Fa tsisy hahasolo anao

Mionona akia ry tiako
Fa izao no anjarantsika
Fa ny hany mba takiako
Aoka “tsy hifanadino isika”

Ny fahafatesana tsy ferana!


Malalason 22/11/07
--------
Rohy:
1557 3
Hevitra mandeha
tiarah ( 04/05/2010 14:04)
Efa fantatro mialoha fa handalo izy de hiserana ka
Tsy ho reko intsony ny feony
Tsy ho tsapako intsony ny hafanana hoentin 'ny safosafony
Ka handao ireo ,tiany tety, rehefa nahazo ny hasambarako ny fony
Fa naleony lavitra nifankahita zahay roa , nihanoka tao anatin ny hasambarana fohy
Toy izay fiainana iray manontolo tsy mba nifampitopy maso akory

"Toa hitako sahady ny tananao hitsena ahy rehefa ho avy ny fotoana ahatongavako eo anilanao"
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147