Mpianadahy nifankatia (ho an'i andy) (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPIANADAHY NIFANKATIA

Na dia any lavitra any aza
No misy anao dia tsarovy foana aho
R’Ilay mba nofidiko sy nekeko
Ho malalako mandrakizay, ho ravaky ny fiainako!

Na dia tsy hihaona intsony aza
Izaho sy ianao dia mbola antenaiko
Fa any andro iray, hatsiarovanao
Ilay teo anilako fahiny, nahafinaritra anao !

Fa tsy anjara ny antsika
Satria fitia voarara,
Tsy nankasitrahana
Fa hoe mpihavana sy mpianadahy !

Na dia toy izany aza
No niseho tamin-tsika roa
Ny zava-bita kosa namela sombin-tsiaro
Tsy ho voafafan’iza n’iza

Fa tsiambarean-telo maro
No efa niainan-tsika
Izay vao nifankahalala
Fa hay ianao anabaviko, zanaky ny mpirahalahy!

Na dia ho tantara aza
Ireny lasan-tsikaroa ireny
Dia tena mbola hafa ihany
Izaho nitoetra ho Dada ianao nanaiky ho Neny !



RJO (19/08/04) Ankadifotsy
DO COM.CYBER
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1384 4
Hevitra mandeha
bichette ( 19/08/2004 13:29)
oups ! lalina indray izany tantara izany ; f'angaha tsy mba nisy fihaonan'ny fianakaviana mihitsy hono ka tsy nahalala mialoha fa kay mpianadahy ?
yonikafopl ( 19/08/2004 14:21)
fa nga marina tsy nisy fihaonana??? gravy ny toa izany efa vita ny natao zay vao hoe hay kay anadahiko ianao???
NyKanto ( 19/08/2004 15:39)
Tsy tranga tokana izao fa efa mateti-pitranga, saingy tsy ambara, deraina i RJO mampita izany tantara izany amin'ny alalan'ny tononkalony!
Ny Kanto.
Malalason ( 20/08/2004 11:27)
aza omena tsiny fa fitia raraka tsy azo raofina ny an'?
ho ela velona ny fifanerasearan-tsika rehetra! R.JO
Malalason ( 20/08/2004 11:28)
aza omena tsiny fa fitia raraka tsy azo raofina ny an'?
ho ela velona ny fifanerasearan-tsika rehetra! nisy ihany ny teti-iharana saingy diso aoriana fa ny anay no taloha R.JO
mamisoaj ( 25/08/2004 17:58)
Hafatra kely ho an'izay dada sy izay neny satria izy ireo no loharano nimpoirana mba zaro @ lalana tena izy ny ankizy fa raha sendra izany; aza omena tsiny izy fa tsy fanahininy; ny rano raraka tokoa anie tsy azo raofina eh .
mamisoaj ( 25/08/2004 18:00)
Hafatra kely ho an'izay dada sy izay neny satria izy ireo no loharano nimpoirana mba zaro @ lalana tena izy ny ankizy fa raha sendra izany; aza omena tsiny izy fa tsy fanahininy; ny rano raraka tokoa anie tsy azo raofina eh .
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145