NA MASAY NA TSIBOLO NOTETEZINA DAHOLO (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA MASAY NA TSIBOLO
NOTETEZINA DAHOLO

Tsy laviko aloha
Fa taminao taloha
Dia tena hendry kely
Sy maha-te ho tia

Nambabo ny fanahy
Nametraka tsiahy
Tsy hay hadinoina
Fa tsaroana foana

Tadidiko ihany koa
Fa fony isika roa
Nifanao fotoana
Ianao taraiky foana

Mbola mitady fika
Mba ahafahantsika
Mampiaraka fitia
Teny rehetra teny.

Notetezina daholo
Na Masay na Tsibolo
Hatrany Vontovorona
Ambatofotsy, sisi-morona

Ny andro takariva
Sy hatsiakan’i Tritriva
Ny tany Ampefy firifiry
‘lay renirano Tsiazompaniry

Fa ny tena nampihomehy
Dia ‘lay teny Ambatobe
Haizina miharo-tahotra
Hamaky fasana toa vahotra.


Malalason 05/12/07
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1138 1
Mpakafy: Malalason
Hevitra mandeha
sitlo ( 08/12/2007 17:42)
masaka
Malalason ( 10/12/2007 13:14)
Merci!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0235