NA MATY AZA NY NOFO AMAN-DRA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misaotra anao nitsetra
Ilay fitiavako nilofika
Nipitra nanjoretra
Leo sy efa tofoka

Ny miafinafin-dava
Miaraka aminao
Kanefa tsy (foy) ho rava
Na dia kilalao

Misaotra anao malala
Misaotra indrindra indrindra
Raha be ny « Tiana » tsara
Ianao no tsy hay afindra

Fa manana fitia
Miendri-bolamena
Na dia tsy ho doria
Kanefa dia nomena

Tamin’ny fo madio
Fitia mangarangarana
Ny amintsika anio
Aoka tsy hifarana

Fa na maty aza
Ny nofo aman-drà
Ny fitiavako rehetra
Homeko an’ialahy (là)

Malalason 21/11/06
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1213 2
Hevitra mandeha
jogla ( 24/11/2006 12:14)
mampalahelo sady mampisento...
mbitaniavo ( 11/12/2006 12:37)
JO an! ny voninkazo iray an: raha ratsy tondraka dia malazo sy milofika; ary mety ho faty mihintsy aza raha tsy voakarakaran'ny tompony tsara indray.Ka saody vao malazo dia tonga dia hongotina, ka any aoriana vao hanenina.Ka mba ataovy be zezika ihany sao dia handrobona any aoriana.
Malalason ( 20/12/2006 08:07)
setriny :
Ny tantely iray raha mitady mamy ka tsy mahita izany ao @ voninkazo iray izay tena tsara tarehy endriky ny saha dia zava-poana na dia miteny @ fitenin'ny olona sy ny anjely aza, dia tsoriko aminao fa zava-poana
mariahh ( 16/04/2007 08:55)
mety ho izany tokoa ve?
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123