Nisy ... va? (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy Reny va?
Nanadino sy nahafoy
Ny zanaka naterany,
Na nisy tiana koa
Nanadino ny olon-tiany
Ka nikosoka ny anarany?
Eny mety nisy izany!
Nisy Tompo va?
Ka tsy namela ny Mpanompony
Raha sendra hadisoana
Na nisy koa fo vato
Tsy namindra fo mihitsy
Raha tsy efa voadona
Eny mety nisy izany!
Nisy fery va?
Ka tsy ho sitrana mihitsy
Mba hametraka ny holany
Na nisy teny mamy
Nifono hafetsena
Ka tsy ho nenina no farany
Eny ho aho mety nisy izany!
Nisy halina va?
Tsy nahitana tory fa...
Nisainana, ny ho avy sy ny lasa
Na nisy hasambarana
Nirina nefa tsy azo
Ka zary roa nandatsa
Eny tena nisy izany!
Nisy kalo va?
Raha nohirainao
Dia tsy nisy mpaka fy
Na nisy fahatsirovana
Ninianao nohadinoina
Nefa toa vao miha nanaradia
Eny nisy izany!
Nisy nandia tany va?
Ka tsy solafaka mihitsy
Hatramin'izay niainany
Na nisy manan'aina
Tena tonga lafatra
Ary tsisy aloka ny fiainany
An! an ! Tena tsisy izany!

Hay!
Nisy ary va?
Fo nahay nitia sy feno fandeferana;
Feno fahendrena ary nanana finoana
Ka tsy hioty FAHASAMBARANA ?
Eny tena hisy izany!

R.JO (Ambatomainty 2003)
--------
Rohy:
1155 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107