You are here: home > Vetso

NOFY MATSIRO - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Azo vakiana?

NOFY MATSIRO

Efa nentiko amam-bavaka
Notononiko niavaka
Ny anaranao ry tiako

Nampahafantariko ny Ray
Fa ho doria mandrakizay
Raha araky ny faniriko

Ny hitoerako mangina
Eo anilanao ry tiana
Mba ho tò ‘lay hasambarana

Izay no teny fikasako
Sy sori-dalana hombako
Nofy mamy tsy hifarana

Malalason 05/02/07

Sokajy : Fitiavana