NOTERENA MBA HANDEFITRA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOTERENA MBA HANDEFITRA

Nohambaniana sy mavoina
Noesoina fa kamboty
Ilay malalakely adalako
Hany tokan'ny FITIAVAKO

Noterena mba handefitra
Navela hioty fijaliana
Raha nikasa
Ny hijinja FAHASAMBARANA

Ray ô! nahoana no niangarana?
Ilay adala endriko iny
Fa, amiko izy tsisy tsiny
Fa fanirina ihany izany

Ray ô! raha azonao atao
Eny; raha azonao atao
Valio izao antso izao
F'hifonako raha nisy adalany!

Malalason (2004)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1097 1
Mpakafy: Malalason
Hevitra mandeha
ravakangel ( 18/01/2008 14:37)
tsara lotra lé izy!tena marina v lé tantara?
Malalason ( 23/01/2008 09:42)
tany avaratra tany no nisy io tanatara nampalahelo io...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147