You are here: home > Vetso

Ny horokao ry tiana - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Azo vakiana?

“Efa ninia tsy nanoratra aho nefa tsy navelan’ny ainga ho afa-bela ka dia indro indray  ny soratro alefako hankafizinao Mpàka fy; Malalason”

Ny horokao ry tiana!

Hery sy tanjaka ho ahy
Ny horoka
Nomenao ahy ry tiana!
Ny fo sy saina amam-panahy
No dorok’I
Ny hamamiana!

Ny matsaboka aza lasa mamy
Rehefa ianao
Ianao no manome !
Tsaroako nisinda ny tomany
Satria ianao
Ianao niteny hoe :
“Toka-po toy ny siny aho,
tsy mahalala  afatsy rano,
dia ianao izany”!

Saika tsy hosoratako ihany
Izao ainga izao
Fa noho ny fahatsapako
Fa mety raha ho anao

Dia kaloiko mora
An-tsofinao ry  tiana
Hikoriana  tsy ho  lany
Ilay loharnom-pifaliana

R. JO 10/02/05
RJA COM SERVICE
ANKADIFOTSY

Sokajy : FITIAVANA

Hametraka hevitra

Midira aloha