Ny horokao ry tiana - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Azo vakiana?
“Efa ninia tsy nanoratra aho nefa tsy navelan’ny ainga ho afa-bela ka dia indro indray ny soratro alefako hankafizinao MpĂ ka fy; Malalason”
Ny horokao ry tiana!
Hery sy tanjaka ho ahy
Ny horoka
Nomenao ahy ry tiana!
Ny fo sy saina amam-panahy
No dorok’I
Ny hamamiana!
Ny matsaboka aza lasa mamy
Rehefa ianao
Ianao no manome !
Tsaroako nisinda ny tomany
Satria ianao
Ianao niteny hoe :
“Toka-po toy ny siny aho,
tsy mahalala afatsy rano,
dia ianao izany”!
Saika tsy hosoratako ihany
Izao ainga izao
Fa noho ny fahatsapako
Fa mety raha ho anao
Dia kaloiko mora
An-tsofinao ry tiana
Hikoriana tsy ho lany
Ilay loharnom-pifaliana
R. JO 10/02/05
RJA COM SERVICE
ANKADIFOTSY
Mombamomba
Mpanoratra : Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)
Nampiditra : MalalasonDaty : 10/02/2005
Mpamangy : 786
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
ENY AN-TSANDRIN’OLON-KAFA NO NAHASAMBATRA ILAY TIAKONY OLO-TIA ADALA
NITOHY...
NEKENA FA NOLAVINA
JODASY MPAMADIKA
TSY HIANDRY ANDRY INTSONY RY MALALA
HAMOY FO MANGINA
NITETIKA NY HO KALA BE
MIHELINA TOKOA (Val Ton Ny Kanto MIHELINA)
SANATRIA, TSY FANAKIANANA