Raha sanatria ka hiova koa (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA SANATRIA KA HIOVA KOA

Raha sanatria ka hiova koa
Ianao ry hany ianteherako
Dia hakomboko ny molotro
Havadibadiko ny lelako


Fa tsy misy intsony toky
Azo hitokisana, eto ambonin’ito tany
Fa toky rambaramba
Imolotry ny vava ihany

R.JO (Dec 2003)
--------
Rohy:
2252 1
Hevitra mandeha
NyKanto ( 13/07/2004 10:50)
Nahoana no dia tahotra
No noresahinao taminy
...
Fa vahao aloha 'reo fatotra
Mangejan'ny taloha
Dia ho hitanao ny hamamin'
Ny toky miaraka aminy
Anio tsy avy eo imolotra
Fa noro avy ao am-po!

Ny Kanto.
bichette ( 13/07/2004 16:25)
aza kivy ianao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121