RAHA SITRAK’ANDRIAMANITRA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ho any ianao izay
Izaho aty manina anao
Misaina hoe : rahoviana indray
Vao mety hihaona aminao

Sompantra ny elanelana
Nanasaraka ny tenanantsika
Ilay foko vao namelana
Namela vony hangatsika

Any ho any ianao izay
Asa raha mba mahatsiahy
Fa ny ahy dia hoatr’izay
Manjeny lava ny fanahy

Tsy mampionona ny saiko
Ireto sary am-pelan-tanana
Ianao ihany no ilaiko
Sy mba tiako ho fananana

Any ho any ianao izay
Angamba efa nanadino
Ilay Alahady anakiray
Niarahantsika nino

Fa raha sitrak’Andriamanitra
Dia ny fasana no hametra
Ilay fiaraha-nahafinaritra
Tamintsika tsisy fetra

Malalason 09/10/06
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1314 2
Mpakafy: Malalason - Michaela
Hevitra mandeha
helitiana ( 09/10/2006 15:28)
mahafinaritra be,ity angamba mety ho setriny :
Na lasa aza ianao , tsy haiko ny hanadino
ny zavatra rehetra vitatsika hatram'izay,
indrindra ilay fotoana toa tsy nampino
dia ny fisarahantsika tam'ilay andro iray.

Lasa ianao nandeha noho ny fitadiavana
ny hany azoko natao dia nampionona ny saiko
nihezaka hanatanja-tsaina satria ho lavi-kavana
ka hampibahana ato anatiko ny "ianao no efa lalaiko "

efa tsinjoko sahady anefa ianao miriaria
sy hanorina fitiavana any an-tany lavitra any
tsy ahatsiaro intsony ka hanadino ahy aty
nefa aho tsy ho kivy raha sanatria ka hisy izany

Ny hoe "raha anjara" no habahako ato an-doha
sy ilay sangisangy izay nataonao tamiko
dia ny hoe :"izay tonga aloha no ho tompon'ny fo",
ka raha mahasoa dia "ianao no ho tokantranoko"

ONITRA ( 13/11/97 )
vetsoko ( 17/12/2006 12:38)
itovizantsika sy i malalason ity zava misy ity dia mahereza isika ary e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148