You are here: home > Vetso

Ravina nitsiry - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Azo vakiana?

RAVINA NITSIRY

Dia niainga indray ny peniko
Hanoratra ho anao
Hanambara hafaliana
Hampitsiry indray

Ny ravina efa nihitsana !


Hampatsahiviko eto
Ilay endrikao nasiaka
Raha nanantona aho
Mba hitafa aminao

Somary sakodiavatra !

Nanoman-tena ho matotra
Raha nanatrika anao
Ny fietsika amin’izany
Tsy hay lazaina intsony

Fa miovaova be ihany !

Na tsy hino aza ianao
Dia voatery noborahako
Ilay niery tao am-poko
Izay voatokana ho anao

Sy sarobidy indrindra tamiko !

Ka ekeko tsotra izao
Na efa nihintsana aza
Ny sombim-pelanao
Dia mbola misy ando
Afaka hampitsiry ,

Ilay ravina hankadiry !

Izay voatahiriko ato
Ho Porofo’ny fitiavako


R. JO
02/12/04

Sokajy : fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha