Rehefa tena tia ! (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TENA TIA

Rehefa tena tia ?

Mamentsoventso lava
Ny alina hisava
Ny andro ho maraina

Mihantsy hafaliana
Ho eo anilan’olon-tiana
Mararirary saina

Rehefa tena tia ?

Manonofy paradisa
Maniry tsy hita isa
Ny zavatr’ho kasaina

Maro ny mpifosa
Nefa manan-trosa
Amin’ny fitiavana

Mampiverin-tsaina
Ny olona rehetra
Tsy mba misy fetra
REHEFA TENA TIA !

R.JO (30/06/03 Beronono)
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1267 1
Mpakafy: Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158