Sahirana @ Mirana (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faly aho no sahirana
F'ianao sariaka sady mirana
Toa tatamo sy voahirana
Izato endrikao mangirana

Mirana?
Izany ngah no anaranao
Fa toa haiko tsotr'izao
Ny maka sary an-tsaina anao
Saribakoly, maha-te hilalao

Aok'izay ny momba an'iny
Sy ny tsirambim-paniriny
Fa raha ianao no olon-tiany
Dia tsy ho sampona ny "Diany"

Fa faly izy ka sahirana
Mahita anao akia ry Mirana
Ka aza iniana handosirana
Fa sao tsy ahita ilay "Mangirana"

Malalason 22/08/05
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana
2301 2
Hevitra mandeha
Malalason ( 22/08/2005 10:58)
hihihi fotsiny an!
Tenio ( 24/08/2005 12:42)
hihihihihi
vetsoko ( 09/01/2006 14:01)
mivavaka @ i mirana an!
mpisotrtoaka ( 17/06/2015 14:22)
faly izy sady sahirana
mahita anao foana ry mirana
vao mahita voasary makirana
Ny nangy nivonto nivilana !
hahahaha !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012