SAO DISO TAFAHOATRA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAO DISO TAFAHOATRA

Raha lainga tsara lahatra
Sy fampandriana adrisa
No entinao mambabo
Ny foko mba ho tia
Dia tena sanatria
Raha ho azonao
Ny lapan’ny fitiavako

Raha teny miharo-fitaka
Sy feno fiheboana
No entinao manokatra
Ny varavaram-poko
Mba hidiranao
Dia aoka ihany aloha
Hatory ilay nifoha

Tsy lainga no tadiaviny
Aza asiana fitaka
Sy fiheboana loatra
Ny firesakao, sao diso tafahoatra


Malalason 27/11/07
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1191 1
Mpakafy: Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148