Saosim-pitia na "epice d'amour" (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAOSIM-PITIA na « Epice d’Amour »

Efa nampoiziko fa ho avy ianao
Saingy niniako niafenana aloha
Fa raha ny amrina? Ambarako anao
Ny mihaona aminao tena tiako tokoa !

Mba hampatsiro an’ilay fo mitia
No nanaovako fangalampiery toy ireny
Fa ny handà anao ataoko sanatria
Ary fietsika ny ahy no solom-bava miteny

Raha nametraka anao aho aza atao mahatezitra
Fa fomba hisedrana fitiavana ihany
Mba ho tany lonaka nampiana zezika
Hampamelam-pitia ka hamoa ny mamy

Karazana saosim-pitia ihany koa
Ny filan-kisa sy ny adiady kely
Fa raha zohina lalina fararano ny fo
Ka ny vahona mangidy tondrahan-tantely ?

Tonga ody vavony
Mitsiky ianao avy eo
Satria ravo ny fo
Mamerina kely ny lasa anikeo
Dia ilay adim-pitia
‘zay niniana natao
Raha tsy zakan-dry
Dia hizaro dieny izao!

R.JO

DO COM CYBER Ankadifotsy
23/08/04 t@ 17h 43 mn
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1305 2
Hevitra mandeha
bichette ( 24/08/2004 14:25)
tandremo ihany izany ry malalason an ! sao dia tezitra be loatra izy ka avelany eo ianao
nyeja ( 29/08/2004 12:30)
aza dia mametraka matetika fa tsy lasa saosy intsony ilay izy fa manjary tangena indray
Ny Eja namanao ihany
jerico ( 26/10/2004 15:58)
tena tsy zakako
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108