SEDRA NY FITIA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SEDRA NY FITIA


Mety hisy ve ny fanadinoana
Ka tsy ho tsaroany intsony ny anarako
Ary ho foana ny fanantenako
Hivalona ho tantara ao am-po

Izy hono tsy hiova intsony
Fa efa babonao
Ny fo-ny hono tsy ho zarainy intsony
F’efa natolony anao

Tomany izy nandre ny anaranao
‘Lay endriny faly dia maloka indray
Tsaroany anefa fa any ny andro iray
Hiankina indray eo an-tsandrinao

Ireny fotoana izay niarahanay
Dia tena mamy sy fy tokoa
Ny iray minitra tsy anilanao
Manembonembona e!

Efa voasoratra angamba ny lalanay
Tsy maintsy hilanja ny ziogan’ny fitia
Na mafy aza tsy maintsy ho zakainay
Satria tiako, izy koa tia ahy

Tomany izy rehefa injay ny velomanay
Dia nolazainy koa fa hoe
Nahoana no misy izany rehetra izany
Adinony angaha fa :
SEDRA NY FITIA


Malalason Janoary 2006
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1399 2
Mpakafy: Malalason - ranory
Hevitra mandeha
vetsoko ( 09/01/2006 13:59)
fitiavana ihany ry malalason no mahavono fitiavana a!noho izany misy ny fanadinoana rehefa voasolo ilay fitia
lapino ( 22/01/2006 08:33)
Tsy dia mitovy hevitra amin'ny mpanoratra loatra ny tenanay e! Sedra ve ny fitia sa ny fitia no sedraina?
Malalason ( 10/02/2006 10:29)
izay tianao mety daholo na sedra ny fitia na fitia no sedraina, fa 'zao samy manana ny halalin'ny sainy ny mpanoratra tsirairay ka mety tsy ho takatry ny fohy fisainana...
mbitaniavo ( 02/08/2006 05:10)
io ry Malalason miankina @ fifankatiavan'ny olona roa ihany an !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162